ActualitésTsidika

Masindray : Tratra ny lehilahy iray mpangalatra omby

Lehilahy iray, 40 taona no tratra nangalatra omby tao amin’ny kaominina Masindray ny faran’ny  herinandro teo. Fiaraha-mientan’ny zandary sy ny mponina no nahafahana nisambotra azy, araka ny voalaza.

« Nisy nampandre ny zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Masindray ny amin’ny fisian’olona mampiahiahy nandroaka omby iray, nandalo ny lalana mihazo ny fokontany Manazary, Kaominina Masindray ka nidina avy hatrany teny an-kianja ny Chef de Poste niaraka tamin’ny zandary izay notarihiny » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Mpangalatra omby ilay olona rehefa nohamarinina ary omby tany ampifatorana, niraoka tany an-tsaha io novahany nangalariny io. Efa fantatra ny tompon’omby ka naverina aminy ny ombiny rehefa avy natao ny fanamarinana rehetra, efa voatazona atao famotorana kosa ny nangalatra ny omby » hoy hatrany ny fanazavana.

Ao anatin’ny fisian’izao tranga izao moa dia manentana hatrany ny mponina ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany satria vao tsy ela no nisehoana fangalaran’omby toy izao ihany koa tao amin’ny distrika Atsimondrano.

Laisser un commentaire