ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misy ora ny fodian’ny zotra mpitatitra E

Ao anatin’ny fandaminana ao amin’ny zotra E, misy ny lera na fe-potoana napetrak’ireo tomponan’andraikitra misahana ireo fiara fitaterana ao amin’ny zotra, amin’ny 8 ora alina, araka ny voalaza no fotoana hidian’ny toeram-pitobian’ny fiara ka voatery mihato amin’ny asa mialohan’izany ireo mpamily. Miteraka tsy fanarahan-dalana ho an’ireo mpitatitra sasany anefa izany, araka ny voalaza hatrany. Mahatonga ny fiara hiodina an-dalana sy hanary ireo mpandeha noho ny fanejehana izany fe-potoana izany.

“Amin’ny 8 ora alina no mihidy ny garage. Voatery manaraka ny fandaminana ny mpamilin’ny fiara mpitatitra ka tsy maintsy miverin-dalana raha vao tratra hariva any an-dalana hialana amin’ny fahataran’ny fampidirana fiara ao amin’ny garage, eo ihany koa ny lafin’ny tsy fahandriam-pahalemana” hoy I Dannis, mpamily.

“Tokony hifandaminana sy dinihana ihany ny ataon’ireo fiara sasany satria misy izy ireo tsy manaja ny zon’ny mpandeha noho izay, manary an-dalana, miodina an-dalana. Efa mampitaraina ny mpandeha isan’andro” hoy I Lanto, mponina ao Ambohimangakely.

Ny zotra E ao Ambohimangakely ity anisan’ny nandrenesana fitarainana maro avy amin’ny mpandeha. Etsy andanin’izay anefa anefa, efa nisy ny fanapahan-kevitra nataon’ny avy ao amin’ny kaominina. Mila fifampiresahana sy fandaminana lalina eo amin’ny kaominina sy ny koperativa amahana ny olan’ny zotra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire