Ambohimangakely: Ho enjana ny sazy ho an’ireo fiara tsy manara-dalàna
Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny lafin’ny fitateram-bahoaka ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Mbola mitohy hatrany ankehitriny ny fanentanana amin’ny fitorohana raha mahita trangana tsy fanarahan-dalana ataon’ny zotram-pitaterana Kofiatra sy Koloina. Ho enjana ny sazy ho an’ireo fiara tratra tsy manara-dalàna, araka ny voalaza.
“Efa misoratra ao anaty bokin’ andraikitra ny lalan’ny fiara tsirairay avy ( A: Alasora fasika, B na Z: Jovena na Bam). Toy izany koa ny miakatra ( Andravoahangy na Tsiazotafo Behoririka). Noho izany raha toa ka misy ny fiara mikasa ny hampidina mpandeha izay tsy tonga any amin’ izay tokony halehany dia ny tsy manaiky midina ny mpandeha ary miantso avy hatrany ny tompon’ andraikitra eto anivon’ny Kaominina” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Eo amin’ny fampiharana hentitra sy ny fanaraha-maso akaiky ny asa ataon’ireo mpitatitra no handrasana amin’ireo tomponandraikitra amin’izany fanapahan-kevitra lehibe izany. Manantena ny fiovan’ny asa eny anivon’ireo mpitatitra ihany koa manoloana izao fandraisana andraikitra lehibe izao” hoy I Tiavina, mponina ao Ambohimangakely.
Tsara ihany koa ny fametrahana afisy any anatin’ireo fiara fitaterana, entina hampatsiahivana sy hampafantarana ireo mpandeha ny fitsipika ao anaty fiara sy ny laharana ahazoana ny tomponandraikitra, hahafahany mandray fepetra sy manao fitarainana. Misy ireo mpandeha tsy mikirakira ny tambazotran-tserasera kanefa hiaran’ny tsy fanarahan-dalana.
Manitra Ramanantsoa
