Anjeva : Nanao hetsika fanadiovana sy fanamboarana ireolakan-drano manondraka tanim-bary ny kaominina
Nandeha teny ifotony ary nitarika ireo fokonolona tao anatin’ny fokontany Imerikiasinina, ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nandritra izany no nanaovana asa tana-maro tamin’ny fanamboarana sy ny fanadiovana ireo lakan-drano manondraka tanim-bary izay mirefy 2150 metatra manondraka velaran-tany amin’ny hektara maro ao an-toerana, izay niarahana tamin’ireo fokonolona tao an-toerana ihany.
« Ho fanomanana ny taom-pambolem-bary 2022-2023 dia miezaka izahay aty amin’ny tanàna manamboatra sy manadio ireo lakan-drano manondraka tanimbary sy mba ho fanomezana asa ny mponina. Izany hetsika izany, izay sady manala fahashiranana ny olona amin’ny fambolena na amin’ny andavanandrom-piainany no manome asa ny mponina amin’izao fiandohan’ny mai-tany izao » hoy i Haja Raoeliarison, ben’ny tanàna ao Anjeva.
« Ireo fokonolona teo amin’ny vohitra Ikianja sy Ambatofangorohana, izay samy mpamboly sy tompon’ny tanimbary ihany no nisitraka ny asa nandritra ny dimy andro. Nomena tambin-karama 5 000Ar isan’olona isan’andro ary miasa adin’ny dimy isan’andro ny olona iray. Hita ho velom-bolo ireo mpamboly satria efa an-taonan’ny maro no tototry ny atsanga ity tatatra ity ka nanano sarotra ny fampidirana rano ny tanimbary » hoy hatrany ny ben’ny tanàna.
Anisan’ny manome vahana ny mponina tokoa ny fanentanana sy ny fanomezana asa tahaka izao. Mian-dahy miam-bavy ny asa fampandrosoana ao anatin’ny faritra iray. Hita fa zava-dehibe tokoa ny fampandraisana andraikitra, ny fanetsehana ireo mponina eny ifotony ary izany anisan’ny miteraka fandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
