Tetik’asa Titre Vert : Nanakatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny famatsiam-bola ho amin’izany
Raha te hahita an’ny Madagasikara handroso ny fambolena sy ny fiompiana no tohanana betsaka, izany hoe ireo tantsaha mivelona amin’izany sy mihary amin’io sehatra io. Nandritra ny fotoana naharitra no nivoahan’ilay fampahafantarana ny vola entina hanampiana ireo tantsaha amin’ny alaln’ny tetik’asa titre vert ka izao ilay izy vao lany teo amin’ny filan-kevitry ny minisitra.
Nankatoavina izany fa hamatsy vola mitentina 1 600 000 000 Ariary ny tetik’asa ny fanjakana Malagasy. Amin’ny alalan’ny tetik’asa izay fiaraha-miasan’ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana sy ny fandaharanasa « Fihariana » izany. Hotolorana ireo tanora handraharaha amin’ny fambolena sy ny fiompiana any amin’ny faritra miisa 4 sy ireo fianakaviana manao fitrandrahana ara-pambolena any amin’nyn faritra hianjadian’ny hain-tany izany.
« Tanora maro amin’ny faritra Diana, Vakinankaratra, Mahatsiatra Ambony ary Menabe no hisitraka izao fanampiana izao. Izy ireo dia mandraharaha amin’ny resaka fambolena sy fiompiana avokoa; ity izay antsoina hoe “titre cert économique”. Ny faharoa kosa dia ny “titre vert social” izay entina hanampiana ireo fianakaviana amin’ny tany misy hain-tany any amin’ny faritra Anosy », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fiompiana sy ny fambolena.
« Mety hoe akaiky ve ny fifidianana dia mihetsika ny fitondrana ankehitriny. Tsy hidirako izay fa hitako hoe mety ity tetik’asa ity satria ny tanora any amin’ireo faritra ireo hatreto dia mbola miaina amin’ny fiainana hoe tantsaha tokoa ka rariny raha tohanana izy ireo. Ilaina ny famokarana ato anatiny mba hampihena ny fanafarana izay mampiakatra ny vidin-javatra », hoy i Ruphin, manam-pahaizana ara-toe-karena.
Famatsiana zezika sy fitaovana ary milina ilaina amin ny tambolena ho an ireo fianakaviana ireo no tena iompanan’ity « Titre Vert social » ity. Tsara tokoa ny manamarika mantsy fa miankçna amin’ny tsirairay sy ny fomba fampiasany ny fahaizany sy ny fitaovana hananany no mampivoatra.
Miora Raharisolo
