Inona no antony nampihemotra ny laharantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ?
Hankalazaina isaky ny fahatelon’ny volana may ny andron’ny fahalalahana ho an’ny asa fanaovan-gazety. Manana ny lanjany indrindra eo amin’ny sehatry ny fiarah-monina ny fanaovan-gazety. Antsoina hoe Mpanao gazety ny olona manao ny asa fanaovan-gazety miaraka manangom-baovaon mandika ny lahatsoratra sy ny fanadihadihana antso-ratra sy ambava ary aseho vahoaka amin’ny alalan’ny fahitalavitra sy ny onjam-peo, na ireo fitaovan-tserasera ny vaovao hazo rehetra. Misy anefa ireo drafitra sy fomba arahina ao anatin’izany. Anisan’ny asa saro-pady indrindra ity sehatra ity ary misy fadifady maro tokony tandreman’ny mpanao azy. Anisan’izany ny manampy ny hevitry ny tena manokana, ny famingavingana, ny tsy fahalalam-pomba amin’ny fomba fiasa amin’ny haino aman-jery. Anjaran’izy ireo anefa ny mitatitra ny zava-mitranga, ny teny voaporofo sy niainana fa indrindra ny marina. Mitondra tombotsoa ho an’ny rehetra kosa anefa io sehatra io satria anisnan’ny tantara mipetraka ary tsy ho hay hadinohana ireo hangon-tsary sy soratra ary vaovao azon’ny mpanao gazety. Lazaina matetika eto Madagasikara ny fanomezana fahalalahana ny asa fanaovan-gazety. Mifanaraka amin’izany ve anefa ny zava-misy? Nandritran’ny tatitra iraisam-pirenena momban’ny naoty sy ny kilasin’ny Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mahakasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety anefa no nahitana fa very toerana sy laharana telo indray i Madagasikara tamin’ity taona 2021 ity. Raha teo amin’ny laharana faha 54 isika tamin’ny taon-dasa, voasokajy amin’ny laharana faha 57 isika ankehitriny. Maneho ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety nandritran’ny taona 2020 io laharana io. Misy amin’ireo mpanao gazety no milaza fa mbola tery izany eto amitsika, tsy mbola afaka mampita ny tena zava-misy marina izy ireo. Manan-danja anefa io fanomezana alalana ny mpanao gazety io saingy tsy azo atao kosa ny fihoaram-pefy. Mila hain’ny mpanao gazety ny mifehy ny asa ataony noho izy ireo manana ny lanjany lehibe tokoa eo amin’ny fiaraha-monina.
Fanilo Rarivoarilala
