Dabara : Efa namboarina ny lakan-drano
Vita ny asa vonjy rano vaky ny lakan-drano lehibe ao Dabara. Miantoka ny fitarihan-drano amin’ny velarana tanimbary mirefy 12 000 ha ity lakan-drano vaky ity.
« Efa mandeha tsara ny rano, izay mahatratra 12m3/s amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy notapahina nandritra ny fotoana nanatanterahana ny asa rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. « Natahorana ho vaky tanteraka ity lakan-drano ity noho ny fahanteran’ny fotodrafitr’asa sy iny ranon’orana mahery vaika iny. Nisy ny fahasimbana goavana amin’ny ampahany ao amin’ny Distrikan’i Mahabo » hoy i Laurent, teknisianina mikasika ny rano.
« Manampy betsaka ny fambolena ny fisian’ny lakan-drano. Azo eritreretina ho hanimba ihany koa anefa izy raha tsy voafehy tsara » hoy i Germaine, tantsaha ao Mahabo. Hotanterahina amin’ity taona ity ny asa fanamafisana ireo sisin’ny lakan-drano rehetra mba hanatsarana hatrany ny fambolena. Hirariana mba hiakatra ny voka-bary amin’ity taona ity.
Nicole Rafalimananjara
