ActualitésTsidika

Ambohimalaza: Toerana sarobidy sy manan-tantara ny Rova Ambatomanohina

Ambatomanoina dia vohitra iray sahabo eo amin’ny roampolo kilometatra miala an’i antananarivo renivohitra. Ao anaty fokontany Masombahiny, kaominina Ambohimalaza miray.

Toerana tena sarobidy sy tokony ho fantatry ny rehetra izy ity satria toerana nipoiran’ireo Mpanjaka. Namoka mpanjaka efatra i Ambatomanoina dia Ranavalona voalohany, Radama faharoa, Rasoherina ary Ranavalona faharoa.

Ara-tantara, dia Andriantsimitovizafintrimo, lehiben’ny Zazamarolahy, no namorona sy nonina voalohany teo. I Andriantsimitovizafintrimo moa dia zanaky ny Mpanjaka Rakotomavo Andriambelomasina. Noho izany dia vodivonan’ny Zazamarolahy i Ambatomanoina tany am-boalohany.

Ny zanany lahimatoa Andrianavalontsalama na Andriantsalamamanjaka dia nanambady an’i Ratavanandriana sy Rabodonandriantompo, mpirahavavy avy ao Ambohimanga. Ka izy ireo no niavian’ny Zanakandriana Ambatomanoina. Ny zanany faralahy Andriamahenina Andriantsaba kosa no rain’i Rasahenolahy lehiben’ny Zazamarolahy farany tamin’ny faha-mpanjaka.

Ratavanandriana dia niteraka an’i Ramarotafika, Ramanjakaraibe ary Rangita. I Rabodonandriantompo kosa dia niteraka an’i Imavo na Rabodonandrianampoinimerina (lasa Ranavalona Voalohany), Razafianaka, Rafaramanjaka (reninn’i Rabozanakandriana na Rasoherimanjaka), Rafarasoa Ramasindrazana (renin’i Ramboasalama izay natsagan’i Imavo, Ramahatrarivo I, Ramonja ary Ramoma lasa Ranavalona faharoa

Ramahatrarivo I dia nanambady an’ny Razafinjanahary, zanakavavin’i Rafaravavy Randratsay avy eny Masinandriana sy Manandona Antsirabe ary niteraka 16 mianadahy. Ny zanany efatra mianadahy ihany anefa no natsangan’i Ranavalona ho zanakandriana ary nomeny ny anaram-boninahitra Printsy dia: Rampelasinoro, Rasoarandrana, Ratrimoarivony ary Ramahatrarivo II. Ny lova-tsofina moa dia milaza fa izy telo mianadahy dia teraka tao aoriana niambohan’i Ramahatrarivo I, ka misy ny milaza fa Ramonja no rain’i Rasoarandrana sy Ratrimoarivony ary Radama faharoa kosa no rain’i Ramahatrarivo II.

I Ranavalona fahatelo kosa dia nanambady an’i Printsy Ratrimoarivony izay avy eto Ambatomanoina.

Laisser un commentaire