ActualitésTsidika

Polisim-pirenena : Nifety tamim-pilaminana ny olompirenena tamin’ny ankapobeny

Polisy miisa 1 087 no nisahana ny fitandroana ny fahalemana teto Antananarivo nandritra ny fetin’ny Noely teo. Afaka nankalaza izany fety izany tamim-pilaminana ny olom-pirenena tamin’ny ankapobeny.

« Saika hita teny amin’ireo fiangonana lehibe izy ireo ankoatra ny fisafoana andro sy alina ny faritra maro samihafa eto an-drenivohitra » hoy i Fidy, mponina teny Analakely. « Rehefa fety tahaka izao dia misy hatrany ny lozam-pifamoivoizana, saingy tsy nisy ny aina nafoy raha ny tamin’ity no nojerena » hoy i Raymond, mpamily fiarankaretsaka. « Manohy ny fitandroana hatrany ny Polisy. Kodiarandroa miisa 36 no voasakana noho ny tsy fitondrana aroloha sy tsy fisian’ny rétroviseur ». Ho an’ny fiara indray dia miisa 05 izy ireo no voatery nandraisana fepetra noho ny tsy fahatomombanan’ny jiro » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.

Mahafinaritra raha tsy mijanona ho andro fety ihany izany fa mitohy isan’andro. Sakana tsy nampandroso tokoa mantsy ny tsy fandriam-pahelamana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire