Soamandrakizay : Efa misokatra ny CTC-19
Nisokatra nanomboka ny 27 desambra lasa teo ny CTC-19 Soamandrakizay. Afaka mandray marary hatramin’ny 148 izy io. Laharam-pahamehana tokoa ny fahasalamana indrindra manoloana izao fiparitahan’ny aretina covid-19 izao.
« Maimaimpoana ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ireo marary. Fahavalo iraisana ny covid-19 ary tokony hanaraka hatrany ireo fepetra sakana ny rehetra » hoy ny Minisitry ny Fahasalamm-bahoaka, Zely Arivelo Randriamanantany. « Nialoha izao fisokafana izao dia nisy ny fanamafisana ny Traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana » hoy ny Sekretera Jeneraly ny fahasalamam-bahoaka. « Tsara ny fanapahan-kevitra manoloana izao fihomboan’ny aretina izao mba tsy hidirantsika amin’ny fihibohana » hoy i Hasmine, mpivarotra eny Soamandrakizay.
Ady iraisana tokoa ny ady amin’ny coronavirus fa tsy an’ny fitondram-panjakana irery ihany. Tokony handray andraikitra ny rehetra indrindra amin’ny fampanajana ny fepetra sakana izay napetraka.
Nicole Rafalimananjara
