By-Pass : Tsy nisy fifandirana teo amin’ny fianakavian’ny voadona sy ny miaramila
sy nisy ny fifandirana teo amin’ny fianakavian’ilay lehilahy voadona sy ny miaramila. Raha tsiahivina dia nandona lehilahy 62 taona ny fiaran’ny 1°RTS nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny By Pass.
« Teo ampandrenesana ny vaovao dia nandray andraikitra avy hatrany ny lehiben’ny Toby 1°RTS ka nitondra ilay naratra eny amin’ny HJRA ary nandray an-tanana ny fitsaboana » hoy ny avy ao amin’ny 1°RTS. « Hisy ny sazy ho an’ireo miaramila nanao hadisoana nandritra io fisafoana teny By-Pass nandritra ny 25 desambra io » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena.
« Tamin’ny 8 ora sy sasany alina no niseho ny loza. Mampanontany tena ihany ny nahatonga ilay rangahy teny an-dalambe amin’ny andro alina » hoy i Clarisse, mponina eny amin’ny faritra By-Pass. Marihina fa nifanaraka ny hitsabo ny maratra ny fianakaviana sy ny miaramila ary tsy nisy fifandirana teo amin’ny roa tonta.
Mila mitandrina mandrankariva isika indrindra rehefa amin’ny alina mba tsy ho tratran’ny tahaka izao. Raha azo atao dia aleo mijanona ao an-trano ihany vao migadona ny alina mba ho azo antoka ny aina. Marina fa fety ny andro, kanefa ny aina koa tsy ananam-piry.
Nicole Rafalimananjara
