SocialTsidika

Alasora : Nandry fahalemana nandritra ny fetin’ny krismasy

Nizotra tsara ny fampandriana ny fahalemana nataon’ny Zandary sy ny Polisy ary ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny kaominina Alasora nandritra ny fetin’ny noely teo. Mbola hitohy amin’ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao izany.

« Mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fiatrehana ny fety izao » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. « Manararaotra ny ratsy amin’izao fety izao. Vonona hatrany izahay hiaro ny vahoaka sy ny fananany mba hisian’ny fandrosoana » hoy ny mpitandro filaminana ao Alasora. « Nilamina tsara ny tanàna nandritra ny fety raha ny taty aminay manokana. Hirariana mba hitohy foana izany fa tsy amin’izao fety izao ihany » hoy i Bakoly, mponina ao Alasora.

Tsy nisy loatra tokoa ny tranga tsy fandriam-pahalemana nandritra ny fety tany Alasora. Mandry fahalemana ny tany rehefa tena manao ny asany tokoa ny mpitandro filaminana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire