SocialTatitra

Israel : Miezaka mampitony ny ady amin’ny Palestine

Ahitana trangam-panafihana ataon’i Palestine any amin’ireo faritra maromaro any Israel. Lasibatr’io fanafihana io ny vahoaka israelianina any amin’ireo faritra maro ireo. Tonga hatrany amin’ny renivohitra ao Jerosalema io ady io nandritra ny fotoana maharitra. Ravan’ireto mpanafika ireto avokoa ireo sakana rehetra hapetraka saingy tsy milavo lefona kosa ireo polisy maro any an-toerana ka misy ny ady mafana eo amin’ny roa tonta. Ny alahady 25 aprily lasa teo anefa no namela malalaka ny fifamezivezena ao amin’ny renivohitr’i Israel ny polisy any an-toerana. Tanjon’izy ireo amin’izany ny fiezahana mba hampihenana ny tsy fifankahazoana eo amin’ny firenena Palestine. Namela malalaka ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-toerana izy ireo, ary tsy nandrara ny fanesorana ireo sakana rehetra izay napetraka nandritra ny fiandohan’ny volana ramadany. Tanora Palestinianina an-jatony ihany koa no nivondrona teo alohan’ny vavahadin’i Damas raha vao nandre ny fisokafana ho an’ny rehetra. Tapaka izao hevitra izao rehefa nisy ny tolo-tsaina avy amin’ny tompon’andraikitra anatiny sy ireo mpitondra fivavahana sy ireo mpivarotra maro izay mitady fivelomana.

Laisser un commentaire