Bealanana : Mitsangana ny fepetra ara-pahasalamana maro
Nahitana trangan’aretina Coronavirus tany Bealanana. Napetraka ny fepetra maro ara-pahasalamana ho fisorohana ny fiparitahany.
« Tsy azo atao intsony ny famoriam-bahoaka eto amin’ny Distrikan’i Bealanana. Mikatona amin’ny 1 ora tolakandro ny toeram-pivarotana rehetra. Mitsahatra ihany koa ny fampianarana. Tsy manao arotava ny olona mivezivezy » hoy ny komity miady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 ao ao amin’ny Distrika. « Mbola misokatra ny fiangonana hatreto. Hentitra kosa izahay amin’ny tokony hanajana ny fepetra ara-pahasalamana any amin’ny toeram-pivavahana » hoy ny lehiben’ny Distrika Bealanana. « Tena manomboka miparitaka be ilay tsimok’aretina. 4 sahady izao no voamarina fa marary aty Bealanana » hoy i Lanto, mponina any Bealanana. Efa hita fa miha hentitra ny fepetra na dia 4 aza aloha ireo marary.
Ary manao ahoana ny eto Analamanga ? Firy ny isa raha mitaha ny any Bealanana ?
Nicole Rafalimananjara
