Ankadikely Ilafy : Mitohy ny asa fanadiovana lakan-drano
Tsy mikely soroka ireo ekipa miandraikitra ny fanadiovana ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’ny fanadiovana ny lakan-drano. Teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo sy ny fokontany Andrononobe ary ny manodidina no nodiovina.
« Tanàna madio maha te-honina, lavitry ny aretina no tanjontsikia. Miara-mitandro ny fahadiovana isika rehetra » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Manao ezaka isan’andro ny kaominina amin’ny fisorohana ny fanelingelenana ateraky ny loto. Miezaka tsy mandoto ihany koa ny mponina. Mifampiankina ny rehetra hizorana any amin’ny fampandrosoana » hoy ireo ekipa mpanadio.
« Raha tsy misy tokoa ny mpandoto tsy misy ny loto. Raha tsy misy ny loto dia mahavita ezaka hafa toy ny fampianarana ny vola tokony hanaovana ny fanadiovana » hoy i Jacquot, manam-pahaizana mikasika ny fahadiovana sy ny fidiovana. Efa misy tokoa ny toerana voatokana ho an’ny fako. Tsara omena lanja ihany koa ny fako mba hipetraka any amin’ny toerana tokony hisy azy fa tsy eny rehetra eny.
Nicole Rafalimananjara
