ActualitésTsidika

Anjeva Gara : Mila ampiana tosika hatrany ny tantsaha

Isan’ny tanàna betsaka mpamboly mpamatsy an’Antananarivo, indrindra ny faritra atsinanan’Antananarivo, i Anjeva Gara. Tsy maharaka anefa ny vokatra noho izy efa mamatsy ny hotely lehibe any amin’ny faritra Ranohira.

« Vokatra maro sy samihafa no tena ilain’ny mpanjifa. Ny eto anefa raha toa ka mamboly laisoa dia laisoa avokoa no ataon’ny olona. Ny hotely anefa mila vokatra samihafa satria tsy afaka vokisany laisoa fotsiny ihany ny mpanjifany » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva Gara, Raoeliarison Haja Yves. « Tsy rotitra amin’ny fiovana ny fambolena ny tantsaha. Efa zatra ilay nentim-paharazana ka somary sarotra ny mitady lalam-barotra ho azy ireo. Efa azo atao tsara anefa ny mampiasa ny fambolena moderina toy ny fampiasana ny permaculture » hoy i Lova, mpampianatra mikasika ny fambolena eny amin’ny Oniversite.

« Misy fikambanana mijoro ihany koa eto an-tanàna. Manampy betsaka anay tantsaha hivoatra izy. Miara-miasa amina tetik’asa maro izy toy ny Protana, Fert, Fifata » hoy i Hardy, mponina ao Anjeva Gara. Miompana amin’ny fanomezan-danja ny vokatry ny tantsaha ireo tetik’asa ho an’ny tantsaha ireo. Fotoana ihany koa io hampiratiana ny vokatra sy ny fiompiana misy ao Anjeva.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire