ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Mila fanamboarana ireo rari-vato amin’ny lalana mivoaka an’i Tsarasaotra

Mila fanamboarana ny lalana rari-vato mampitohy an’i Sabotsy Namehana sy Tsarasaotra. Miendaka avokoa ireo vato amin’ny lalana ka miteraka fahasimban’ny lalana sy ireo fiara mifamezivezy amin’ny lalana.

« Tokony jeren’ny tomponandraikitra manokana ity lalana ity fa mijaly ireo mpampiasa ny lalana. Rava avokoa ny rari-vaton’ny lalana ka manimba fiara. Efa maro ireo lasibatra » hoy i Hasina, mpitondra fiara.

« Ny faharatsian’ny fototra nanaovana ity lalana ity no tena olana mahatonga io fahasimbana io ka tsy mampaharitra ny foto-drafitr’asa eo. Ao anatin’izany ny tsy fahafehezana ireo fiara amin’ny fetra tokony hampiasa izany ka manimba ny lalana matetika. Raha ny vahaolana, dia ny fanaozavana izany lalana izany ho tara ihany » hoy i Toky, teknisianina amin’ny lalana.

Matetika miverina ny olana mahakasika ny fahasimban’ity lalana rari-vato ity. Misy hatrany ny fanamboarana izany ataon’ny kaominina Sabotsy Namehana saingy miverina hatrany ny fahasimbana ka hanaovan’ny mpampiasa ny lalana fitarainana izao.

Laisser un commentaire