France : Vatana efa simba ana lehilahy iray sy vehivavy iray hita tao anaty dobo artifisialy
Olona roa, lehilahy iray 25 taona sy vehivavy 30 taona no hita, tao anaty dobo fitehirizan-drano artifisialy, tany Erquy, France, ny fiandohan’ny herinandro teo. Efa nitsingevana teny ambonin’ny rano ireto vatana mangatsika ireto no nisy nahatsikaritra, ary ao anatin’ny fitiliana ny vatana mangatsiaka ireto ny tomponandraikitra. Tsy mbola fantatra hatreto na loza vokatry ny tsy fitandremana no nahazo ireto olona roa ireto na nisy namono saingy efa ao anatin’ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana.
