ActualitésTatitra

France : Namela taratasy i Lindsay talohan’ny namonoany tena

Raha tsiahivina dia namono tena vokatry ny herisetra nahazo azy tany an-tsekoly (harcèlement scolaire) i Lindsay, 13 taona. Fantatra fa namela taratasy izy talohan’ny nanaovany io hetsika io. Nilaza ny mpisolovavan’ny fianakaviany, Me Pierre Debuisson fa efa nampitaina teo anoloan’ny tompon’andraikitry ny akademia, ny sekoly nianaran’io tovovavy io ary ny manam-pahefana mihitsy aza izany taratasy izany talohan’ny nahafatesany saingy tsy nisy niraharaha.

Nosoratan’i Lindsay ho an’ny ray aman-dreniny io taratasy io. Raha fintinina ny voarakitra tao amin’izany dia hoy izy :

« Raha mamaky ity taratasy ity ianareo dia efa tsy eto intsony aho, miala tsiny aho fa tsy zakako intsony ary tsy hijanonana mihitsy izao mahazo ahy izao. Miala tsiny aho neny fa hanaraka an’i dada aho (3 taona i Lindsay dia maty ny rainy), mino aho fa hisy dikany izao fihetsika ho ataoko izao na vao maika aza mety ahafaly ireo manao herisetra amiko, harovy i Maïlys (namany akaiky) tsy hiaro azy ny tale fa mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy, mitandremana ary tiko ianareo. Veloma ».

Laisser un commentaire