ActualitésTatitra

Demodex : Inona moa izany ?

Ny « demodex » dia bibikely tsy hitan’ny maso (microscopique) miaina eny amin’ny hoditry ny tavan’ny olombelona eny. Anatin’ireo fianakavian’ny bibikely antsoina hoe « acariens » izy io izay mirefy 0,15 hatramin’ny 0,48 milimetatra eo. Eny amin’ny faritra misy volon’ny tarehy ny olombelona no tena hitoerany (volon-doha, volomaso …). Selan’ny hoditra na “sébum” na ny menaka sy tavy vokarin’ny hodi-tava no sakafony.

Amin’ny alinano tena mirenireny eny amin’ny tarehy io biy io. Misakafo, miray ary manaranaka izy mandritra izany ary mahavita mandeha hatramin’ny halavirana 16 santimetatra. Tsy misy lavaka hivoahan’ny maloto ny demodex, fa miangona ao anatiny ary rehefa maty izy no mipoaka eny amin’ny tava eny.  Mbola misy karazany samihafa ny Demodex, arakaraky ny biby mampinono hitoerany.

Raha ny vokam-pikarohana dia tsy dia atahorana loatra ho an’ny fahasalamana ny demodex, na dia ahiana no isan’ny manamora ny aretin-koditra sasany aza.

Laisser un commentaire