Anosy Avaratra : Tontosa ny didim-poitra faobe
Tontosa soa amantsara ny didim-poitra faobe izay nokarakarain’ny kaominina Anosy Avaratra ho an’ny volana aogositra 2022. Zaza lahikely miisa 34 tao anatin’ny fokontany 5 no natao didim-poitra tamin’izany.
Raha jerena dia azo lazaina ho maro tokoa no nisitraka io didim-poitra faobe io. Marihina moa fa efa matetika misy, ary saika ho isan-taona dia misy hatrany ity hetsika didim-poitra faobe ity. Izany moa dia niaraha niasa tamin’ny CSBII Anosy Avaratra, ny Rotary Club Antananarivo Tsimbaroa, ny dokotera Fidy, izay sady Ben’ny Tanàna ihany koa.
Nanolotra akanjo malabary sy kilalao hoan’ireo ankizy natao didim-poitra ireo ny Rotary Club Antananarivo Tsimbaroa.
Famenontsoa Rajerison
