Royaume-Uni : Andriamanitra nanome fa i Michael no tsy nambinina
Mila fahaizan-mitantana ny fananan-karena. Lehilahy mpandroaka fako i Michael Carroll. Nahazo vola nitentina 9,7 tapitrisa livres sterling tamin’ny UK National Lottery izy ny taona 2002 teo amin’ny faha 19 taonany. Nozarainy tamin’ny fianakaviany ny volany, nisitraka izay ny reniny sy nenitoany ary anabaviny izay efa ela tsy nifampiresaka taminy.
Nanambady i Michael Carroll saingy nisaraka ka voatery nandoa honitra 7 miliara mahery an’ilay vadiny. Nolaniany tamin’ny revy, zava-pisotro mahamamo, zava-mahadomelina ary mpivaro-tena ny ambim-bolany. Raha ny voalazany dia niara-natory tamina vehivavy 4.000 isa tany ho any izy ary nisy tonga dia niaraka maromaro izany.
Rehefa lany tanteraka ny volabe azon’io lehilahy io tany amin’ny taona 2012 dia tsy an’asa nandritra ny enim-bolana izy talohan’ny niverina tamin’ny asa fandraofana fako indray. Toa tsy nisy nenina tamin’ny fomba nandaniany ny volany akory i Michael Carroll.
