Sabotsy Namehana: Namokatra fandaharana iray ny université polytéchnique Avaradrano Masca
Fandaharana vaovao iray no novokarin’ny mpianatra ao anivon’ny oniversite Masca Sabotsy Namehana nanomboka ny volana aogositra 2022 hoy i Kanto Rasoarivelonirina, mpianatra ao amin’ny sekoly no sady anisan’ireo mpamoka ny fandaharana ihany koa. Natao izany fandaharana izany mba hitaritana ny sain’ny olona ho liana sy tia fivoarana, singanina manokana amin’izany ireo mpianatra. Nomena ny anarana hoe « study to create » moa ity fandaharana ity. Araka izany anarany izany indrindra dia hentina hifampizarana toro-hevitra mahasoa ny fandaharana, hianatra mba hahafahana mamorona. Ao amin’ny pejin’ny Univeristé polytéchnique Avaradrano Masca ihany aloha atreto no ahitana ny fandaharana. Mirary kosa izy ireo ny hamohahana izany amin’ny haino aman-jery.
Famenontsoa Rajerison
