ActualitésTatitra

Seychelles : Mpianatra maromaro no nalefa nanala fanadinana baccalauréat tao amin’ny nosy La Réunion

Nanomboka omaly tamin’ny taranja filozofia ny fanadinana baccalauréat tao amin’ny nosy La Réunion. 8 344 isa ny mpandray anjara tamin’izany raha ny tatitra. Mpianatra maromaro ihany koa no nalefan’i Seychelles tao an-toerana hiatrika ny fanadinana. Raha tsiahivina dia niato izany fandefasana mpianatra izany nandritra ny roa taona lasa noho ny valan’aretina Covid-19.

Efa ny alahady teo kosa ireo mpianatra avy tao Seychelles ireo no nigadona tao amin’ny nosy La Réunion. Marihana fa mbola tsy nahazo ny fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ireo « école française » ao Seychelles. Manoloana izany dia voatery nakao La Réunion ireo mpianatra no manao ny fanadinana baccalauréat.

Laisser un commentaire