Ambohimangakely: Efa manomboka ny fanaovana vaksin’omby faobe
Misy ny hetsika fanaovana vaksinin’omby ao amin’ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Nanomboka omaly ny fanindromana ny dozy voalohany. Tao amin’ny fokontany Ambohipiainana no nanombohana izany, ary hatramin’ny 15 jona no fahavitan’ny fatra faharoa.
“Entanina ny mponina rehetra isam-pokontany mba hiomana amin’ny hetsika fanaovana ny vaksinin’omby faobe ho an’ny taona 2023. Ary indrindra hanaraka ny toromarika entin’ny mpitsabo mandritra izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ireo fokontany rehetra ao anatin’ny kaominina dia samy hanatanterahana ny fanaovam-baksiny avokoa. Manomboka ny 03 may ka hatramin’ny 24 may no hanatanterahana ny fatra voalohany. Manomboka ny 25 ka hatramin’ny 15 jona kosa ny fatra faharoa” hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe eo amin’ny fanatsarana ny fiompiana ny fanaovana vaksiny ny omby, enti-miady amin’ireo aretina maro isan-karazany. Ilaia araka izany ny fiaraha-mientana amin’izany ho tombotsoan’ny rehetra.
Manitra R.
