La Réunion : Mitady mpilatsaka an-tsitrapo hiaro ny Tuit-tuit ny SEOR
Ao La Réunion irery ihany no misy ny vorona ny Tuit-tuit antsoina ihany koa hoe « Échenilleur de La Réunion » ary omena ny anarana siantifika « Coracina newtoni». Tafiditra ao anatin’ny lisitra mena ny biby ahatahorana ho lany tamingan’ny UICN (Union internationale pour la conservation de la nature) io vorona ary efa isan’ireo karazam-biby tandindomin-doza.
Ny voalavo no isany tena manafaingana ny fanjavonan’io biby io. Manoloana izany dia mikarakara hetsika « LIFE BIODIV’OM », entina hamonoana voalavo ny SEOR (Société d’Etudes Ornithologiques de La Réunion) manomboka amin’ity volana may ity hatramin’ny volana septambra. Mba hampizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany io hetsika io kosa dia mitady mpilatsaka an-tsitrapo SEOR hanampy azy ireo. Heverina fa hanomboka afaka herinandro vitsivitsy kosa ny hetsika hoy ny tompon’andraikitra.
