Ankadikely Ilafy: Herinandro faharoa amin’ny hetsika “Fête foraine spécial vacances 2023”
Miditra ao anatin’ny herinandro faharoa amin’ny fanatanterahana ny hetsika “fête foraine special vacances” ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, amin’izao fotoana izao. ny 11, 12 ary 13 Aogositra izao indray no andro manaraka hanatanterahana izany.
“Eo amin’ny fokontany Ambohipanja sy Mandrosoa, miaraka amin’ny fokontany Manazary, Ambohibe ary Masinandriana no hanaovana ny tohin’ny hetsika amin’ity herinandro faharoa ity. Ny kaominina dia faly hatrany manolotra izany ho an’ny mponina ary hasaina ny rehetra ho tonga maro mandritra izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Fotoana iray hiala voly sy hialana fiainana amin’ny andavan’andro ity fotoana ity. Ny ankizy no tena omena vahana amin’izao fotoanan’ny fialan-tsasatra izao, saingy tsy ho diso anjara ny olon-dehibe amin’ireo fanentanana maro samihafa ho hita ao an-toerana” hoy ireo mpikarakara ny hetsika.
Amin’ny maha “fête foraine” azy izay, karazana kilalao maro isan-karazany sy fety famalifaliana ny rehetra, indrindra ireo ankizy no hita ao an-toerana mandritra izay telo andro izay. Tahaka ny mahazatra, misy ny soavaly hazo, misy ihany koa ny manezy sy ny maro hafa ao anatin’izany.
Manitra R.
