ActualitésTatitra

Maurice : Sehatra misarika mpampiasa vola ny toeram-pitsaboana tsy miankina

Mitombo ny tetik’asa fananganana toeram-pitsaboana tsy miankina ao amin’ny nosy Maurice ary efa nahazo fampiasam-bola mihoatra ny 10 miliara Rs izany ao anatin’ny dimy taona manaraka. Raha ny fanazavana dia efa nandaniana 15 miliara Rs ny sehatra ara-pahasalamana ao an-toerana.

Tetik’asa fananganana toeram-pitsaboana sy hopitaly tsy miankina maro no efa an-dalam-pandinihana. Isan’izany ny an’ny Dr Zouberr Joomaye, mpanolotsaina ambony ao amin’ny biraon’ny praiminisitra izay efa nametraka ny antontan-taratasiny tao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana amin’ny fananganana hopitaly tsy miankina vaovao ao amin’ny Cascavelle Hospital Company Ltd.

Mila famatsiam-bola miliara ny tenany no anatin’izany ary raha ny fanazavany dia hisy fandriana 111 isa io hopitaly io. Ho sampana voalohan’ny Cascavelle Hospital Company Ltd ao amin’ny morontsiraka andrefana izany hoy izy ary hotantanan’ny Falcon Healthcare Group Ltd.

Laisser un commentaire