PolitiqueTatitra

Tchad : Voatendry ny mpikambana ao amin’ny Governemanta

Nanendry mpikambana ao amin’ny governemanta tetezamita vaovao ny zanak’ilay filoha voafidy, Idriss Déby Itno izay maty, ka nitondra ny fitondran-drainy. Miisa 40 ny Minisitra voatendry tamin’izany ary ireo Mpiraki-tsora-panjakana ary namorona Minisitera iray ihany koa izy, Minisiteran’ny fampihavanam-pirenena. Ny alahady 2 mey teo no nanendreny izany governemanta vaovao izany. Efa voetendriny teo aloha rahateo ny Priminisitra Albert Pahimi Padacké mandritra ity tetezamita ity. Nankinina tanteraka tamin’i Acheick Ibn Oumar Ity Minisitera vao natsangana, izy izay efa Mpanolo-tsaina ny fitondrana tamin’ny taona 2019. Betsaka ihany koa ireo minisitra nandritra ny fitondran-drainy no nomena anjara toerana tamina minisitera hafa. Ny mpitondra tenin’ny fitondran ateo aloha, Chérif Mahamat Zene izay efa nanomboka ny 2018-2020 izao no lasa Minisitry ny raharaham-bahiny. Ilay vehivavy tokana nilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny Aprily teo, Lydie Beassemda, no voatendry ho Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana. Ity fitondrana tetezamita ity no hifarana afaka 18 Volana ary hanome fahalalahana sy hampanjaka ny demokrasia.

Laisser un commentaire