ActualitésTatitra

Maroc : Mpizahatany an-jatony no tonga avy any Israël

Mpizaha tany avy any Israel an-jatony no tonga tao Marrakech Maroc ny alahady 25 jolay, fito volana taorian’ny fifandraisana ara-diplômatika teo amin’ny roa tonta. I Maroc no firenena fahefatra nilaza tamin’ny 2020 fa tsara fifandraisana amin’i Israël taorian’i Emirates arabes unis, Bahreïn ary ny Soudan. « Ity sidina ity dia afaka manatsara ny fifandraisana eo amin’i Maroc sy Israël » hoy i Benjamin Ron, mpitarika ireo mpizahantany tonga nijery ny firenena mba hisintomana ireo mpizahantany israelianina hafa. Tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro tany an-toerana no nigadona tany ireto mpizahantany ireto ary notsenaina tamin’ny mofomamy sy zava-pisotro.

Laisser un commentaire