Argentine : Renirano lasa mavokely, loto vokatry ny vokatra simika
Mampitaintaina ny olona ao Argentine ny lokon’ilay renirano izay mavokely ao atsimon’i Argentine nanomboka ny 26 jolay lasa teo. Loko vokatr’ireo vokatra simika ampiasain’ireo orinasa misahana ny jono any amin’ny faritra. « Fanaovana tsinotsinona ataon’ireo mpitondra ny vahoaka mihitsy izao izay miteraka fanapoizinana ho anay » hoy i Pablo Lada, mpahay momba ny ecologie. « Tsy mitera-doza akory izao loko izay fa hanjavona afaka andro vitsivitsy » hoy kosa i Juan Micheloud, tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana ao amin’ny faritany. Efa nahazo alalana rahateo ny orinasa hanary izany hoy hatrany izy.
