La Réunion : Miakatra ny isan’ny marary
Mihanaka ao la Réunion ny variant Delta izay tena nampiakatra be ny isan’ireo marary. Efa mahatratra 400 izao ireo tranga « variant delta » any an-toerana. Hitafa amin’ny vahoaka mikasika ireo fepetra ny prefet any an-toerana, Jacques billant, ny talata 27 jolay amin’ny 5 ora hariva any an-toerana manoloana izao fitomboan’ny marary izao. Inona no fepetra holazainy ? Hoy ny fanontanian’ny maro. Hiverina hihiboka indray ve i La Réunion? Mino ny ankamaroan’ny olona fa hiverina hihiboka indray ny nosy. Efa mahatratra 284, 3 ao anatin’ny mponina 100 000 ny tahan’ny fiakaran’ny isa. Efa nanomboka anefa ny fanaovam-baksiny raha 307 229 tamin’ireo mponina ao La Réunion izao no vita vaksiny izany hoe 35, 9% amin’ny mponina ao an-toerana. Tsy mahasehaka ny mponina mihitsy ny vaksiny izay tokony hahasehaka ny 80%n’ny olona any an-toerana.
