ActualitésTatitra

France : Nitso-drano ny fanambadian’ny vehivavy samy vehivavy voalohany ny fiangonana protestanta

Nankalaza ny fanambadiany tao amin’ny trano fivavahana iray any Montpellier i Emeline Daudé sy Agnès Kauffmann ny sabotsy 24 jolay lasa teo. Ity no mariazy voalohany nahazo tso-drano tamin’ny eglizy protestante iray. 33 taona i Emeline Daudé ary 31 taona i Agnès Kauffmann. Nanasa ireo olona akaiky azy sy ny namany izy roa ary feno hafaliana ny tavany. Vao roa andro talohan’io izy ireo no nifanaiky fa hivady nanoloana ny ben’ny tanànan’i jacou akaiky an’i Montpellier. Tsy nanamasina ny fanambadian’izy ireo akory ny « Eglise Protestante Unie de France » na ny EPUDF fa kosa nitsodrano ny fanambadian’izy ireo fotsiny. Izy ireo araka izany no mpifankatia mitovy fananahana vavy nahazo tso-trano. Nisaotra sy nankasitra ireo nasaina izy roa taorian’izay.

Laisser un commentaire