ActualitésTsidika

Nanara-maso ny faritra Anosy ny minisitry ny fahasalamana

Nigadona tao amin’ny faritra Anosy ny 25 jolay teo ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Rakotovao Hanitrala Jean-Louis. Nanaramaso ny fomba fiasan’ireo mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny CSB II Soanierana SDSP Tolagnaro no anton-dihany. Nanotrona izany ny Mpiara-mibonatoka OMS, ny DRS sy ny ekipany ary ny MI Tolagnaro.

« Betsaka ireo fitaovana mila fanatsarana » hoy ny fitarainan’ireo mpiasa ao an-toerana. Nanararaotra io fandalovana io izy ireo mba hitondrana fanatsarana ao an-toerana. Marihina fa miara-miasa akaiky amin’ireo toeram-pitsaboana tsy miankina amin’ny fanatsaràna ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka sy amin’ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona (humanisation de soins) ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire