Notoloran’i Praiminisitra fotodrafitrasa vaovao ny « Escadron Portée Numero Un »
Nanolotra fotodrafitrasa ho an’ny Zandarimarim-pirenena Malagasy tao amin’ny foiben’ny « Escadron Portee Numero Un » (EP1) Mahazoarivo ny Praiminisitra Ntsay Christian ny Asabotsy 07 aogositra teo.
Raha arakin’ny siosion-dresaka izay nandeha teo aloha dia voalaza fa hoe hoesorina amin’ny maha Praiminisitra azy i Andriamatoa Ntsay Christian, tao ihany koa ireo nilaza fa hametra-pialana izy. Hita soritra mazava eto arak’izany fa tsy marina izany filazana izany satria dia mbola izao manao ny asany tsara izao ny tenany. Tsara moa ny manamarika fa misehatra amin’ny fiarovana ny Praiminisitra sy ny fianakaviany no antom-pisian’ireto Zandary mitantana ny EP 1 ireto. Efa nanolotra fotodrafitrasa maromaro ny Praiminisitra Ntsay Christian teo aloha saingy tsapany fa mila fanatsarana sy fanavaozana ny eo anivon’io toerana io hany ka izao notohizany izao.
Nohavaozina ny toerana fiofanana amin’ny fitifirana na « stand de tir » ary manaja ny fenitra ara-piarovana, nasiana fanavaozana ihany koa ny eo amin’ny toeram-pidirana ao amin’ny toby, nohatsaraina ny « parking », ny toeram-pilalaovam-baolina ary ny eo amin’ny « tribune ». Noraisin’i Praiminisitra an-tanana ny fanokafana ity lanonam-panokanana ireto foto-drafitrasa ireto. Manamboninahitra maro, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, miaramila ary sivily no nanatrika izany.
« Tsy ny tenako irery no nitondra ny anjara biriky tamin’ny fananganana izao toerana izao fa isika » hoy ny tenany raha nanambara tamin’ireo mpanatrika rehetra ny hafaliam-pony tamin’izao fanolorana sy fanampiana ny Foloalindahy Malagasy sy ny Polisim-pirenena izao ary ho fanamarihana izany dia nanolotra taratasy fankasitrahana izy tamin’ny fiarahana nikaon-doha tamin’ny fanatsarana.
Fijery vaovao, endrika vaovao indray izany no hiatrehan’ireo mpiasa ao amin’ny EP 1 ny andavanandrony. Efa manara-penitra izao ny toeram-piofanana sy fanazaran-tenan’ireo zandary ka azo heverina noho izany ny fahatsaran’ny asan’izy ireo. Azo eritreretina tsara ny mba hisian’ny fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena satria dia hita izao fa anisan’ireo voakarakara ny Zandary.
Tsangy Randriamampianina
