SocialTsidika

Mpianatra tsy nety hanao EPS no namoy ny ainy tany Soavina Tanjombato

Tovovavy iray nitaraina tamin’ny mpampianatra ho tsy afaka hanao fanatanjahan-tena no namoy ny ainy. Tsy nanaiky ny tsy hanaovany ny taranja fanatanjahan-tena ilay mpampianatra tao amin’ny sekoly iray teny Soavina Atsimondrano ka izao nitarika ny fahafatesany izao.

« Maty tsy nialana nenina akory ny zanakay vokatry ny hadalan’ny hafa » hoy ny fianakavian’ilay maty. « Mila mandray andraikitra mihitsy ny fanjakana mahefa hanenjika ny mpampianatra toy izany izay manao didiko fehy lehibe ka manao ny mpianatra ho zavatra keliny mandehandeha » hoy i Mariah, ray aman-dreny mampiana-janaka ao amin’ity sekoly ity. « Tokony hanara-maso hatrany fahasalaman’ny zanany andro aman’alina ihany koa ny ray aman-dreny mba hisorohana ny mety ho tsy fahasalamany rehefa tsy eo imason’ny ray aman-dreny izy » hoy i Feno, mpahay fiarahamonina.

Ny fiainana ao an-tranony ihany tokoa ny an’ny mpampianatra sasany no ampihariny any am-pianarana ka tokony hisy mihitsy ny fampiofanana ny mpampianatra rehetra manerana ny nosy amin’ny fitondran-tena tokony hananan’izy ireo. Efa maro ihany koa ny fitarainana mikasika ity fanatanjahan-tena ity satria maro ny ankizy tsy manana vatana tomady hanao izany noho ny kilemany any anatiny any izay tsy voatery ho hita maso.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire