Institut ISS : Hanao velan-kevitra mandritra ity volana ity
Hanao velan-kevitra mandritra ny iray volana ny ivon-toeram-piofanana ISS. Maro ny lohahevitra hifampizarana mandritra izany fotoana izany. Ohatra amin’izany ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra na « The Mining Projects: Challenges in Developing Countries » izay atao ny alatsinainy 30 oktobra 2023.
« Ny 30 oktobra no hanantantrerahana ny valan-dresaka sy fifampizarana mahakasika ilay fifaninana momba ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izay manomboka amin’ny 09 – 11 ora maraina. Ny toerana dia ao amin’ny ISS Institut Tsiadana izay hanasana anao ho tonga hanatrika izany » hoy i Harinoro, tompon’andraikitra.
Ny fisoratana anarana dia azonao atao sy alaina amin’ny alalan’ny commevent@institut-iss.com na laharana 0 34 61 597 24 / 0 34 87 244 55.
