Ambohimangakely: Hanomboka tsy ho ela ny tetik’asa Lead
Nananteraka fivoriana mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa Lead (projet lead) ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ny alarobia teo. Izany tetik’asa izany moa dia miompana amin’ny fampisitrahana hazavana ho an’ny mponina, araka ny voalaza.
“Ny projet Lead moa dia tetik’asa famatsiana jiro ho an’ireo faritra sy fokontany izay tsy mbola nisitraka izany hazavana izany. Hisaorana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany tetikasa izany. Ny asa moa dia hanomboka tsy ho ela intsony” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“Mbola maro ireo faritra tsy mbola misitraka hazavana eto Ambohimangakely. Mino sy manentana anefa ny mponina fa ho avy tsy ho ela izany amin’ny alalan’izao tetik’asa izao satria ny tsy fisian’ny hazavana dia anisan’ny mampirongatra io tsy fandriam-pahalemana io” hoy i Sedra, mponina ao Ambohimangakely.
Anisan’ny asa fampandrosoana ilain’ny mponina ny fisitrahana hazavana. Ny tomponandraikitry ny kaominina Ambohimangakely dia anisan’ny manao vain-dohan-draharaha mahakasika izany.
