ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nomena boky fanomanana fanadinana ireo mpianatra

Notontosaina tamin’ny alahady teo ny fisarihana, nanomezana boky fanomanana fanadinana ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taom-pianarana ity, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Narahina seho hira gasy goavana izany, arak any voalaza.

“Tontosa ny zavatra rehetra nampanantenaina ny ankizy sy vahoaka dia ny hira gasy goavana sy ny fanolorana ireo boky sujet types ho an’ny mpanala fanadinana BEPC. Vory marobe ny vahoaka ary niala voly ihany koa tao anatin’izany » hoy ny tomponandraikitra.

« Fanampiana lehibe ho anay mpianatra ny tahaka izao, ary fanohanana ihany koa amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Hisaorana ireo mpikarakara satria misy entina manao fanazaran-tena sy fanomanana ny fanadinana ity boky ity » hoy i Ando, mpianatra.

Ankizy mpanala fanadinana miisa efatra moa no tsara vintana nahazo ireo boky fanomanana fanadinana ireo.

Laisser un commentaire