SocialTatitra

Mexique : Lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 14

 Olona 14 no namoy ny ainy ary maherin’ny telopolo ireo naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tao Mexique, ny fiandohan’ny herinandro teo. Fiara fitateram-bahoka iray no nivadika tao amin’ny arabe, mivoaka kelin’ny renivohitr’ity firenena ity, ka nahatonga izao fahavoazana izao. Araka ny nambaran’ireo manam-pahefana any an-toerana, nahitana fiakarana ny tahan’ny lozam-pifamoizana ao Mexique, hatramin’ny 2020. Raha ny tambatr’isa, dia 377.231 no nitondra takaitra tao anatin’izany.

Laisser un commentaire