Sosialy : Fanodikodinana volam-panjakana
35, 7 miliara ariary ny volam-panjakana voahodikodina tamin’ny taona 2023. Miisa 316 ny dossier noraisin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly(PAC) ary miisa 1346 ireo voarohirohy, 1110 nahazo fahafahana vonjimaika, 124 naiditra am-ponja ary 112 eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.Voalaza fa manana fahefana any amin’ny fitondrana mpanatanteraka sy Solombavambahoaka ny ankamaroan’ireo voarohirohy.
