Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka: Nosokafana ny “Fonds d’urgence” ao amin’ny faritra Itasy
26 Septambra 2023, Nosokafana amin’ny fomba ofisialy omaly tao amin’ny Faritra Itasy ny fisitrahan’ny CSB ny « Fonds d’Urgence » ho fitsinjovana ny mponina sy fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo marary tonga eny toeram-pitsaboana manerana ny Nosy. Natolotra niaraka tamin’izay ihany koa ny Ambulance tsy matahodàlana hanafainganana ny fandraisana an-tànana ireo mila fitsaboina maika eny anivon’ny Hopitaly.
