Dépêches

Tranga fakana an-keriny : Olona 10 no voasambotra

09 Jona, 13h00. Olona miisa 10 no efa voasambotra sy atao fanadihadiana amin’izao fotoana manoloana ny raharaha fakana an-keriny. Malagasy ny enina amin’ireo olona ireo, sinoa ny roa ary afrikanina ny roa hafa. Ny fisafoana nataon’ny mpitandro ny filaminana no nahafahana nisambotra azy ireo teny 67Ha, Ivandry ary Mandroseza. Nahitana zava-mahadomelina milanja 250g sy « sachets » hafa nisy « poudre » fotsy izay mbola tsy fantatra mazava ny tao anatiny milanja 500 g, fitaovana maro samihafa hanamboarana sy hitsindromana drogue, « sachets » misy « corails noirs » sy baoritra 7 nisy « hippocampe » milanja 110kg teny amin’ireo olona ireo.

Laisser un commentaire