Antenimierampirenena : Lany ny volavolan-dalàna laharana faha-001/2022 sy faha-002/2022
09 Jona, 12h00. Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena ny 8 jona 2022 teo ny volavolan-dalàna laharana faha-001/2022 tamin’ny 27 janoary 2022 « autorisant la ratification de l’accord de financement relatif à la participation de l’Etat Malagasy au capital de la société NEHO/projet Hydroélectrique de SAHOFIKA » nosoniavina ny 10 jona 2020 teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny « Fonds Africain de Développement BAD/FAD». Mitentina 17.054.970.282 Ariary ny vola hindramina ka haverina afaka 40 taona ary hanamboarana fotodrafitrasa hanatsarana ny famokarana herinaratra. Marihina fa 30 tapitrisa euros ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana Malagasy amin’ity tetikasa ity. Lany nanditra izany koa ny laharana faha-002/2022 tamin’ny 11 Mey 2022 « autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du Projet Connecter Madagascar pour une croissance Inclusive » nosoniavina ny 18 aprily 2022 teo amin’ny Repoblikan’ny Madagasikara sy ny l’Association Internationale de Développement (IDA) ». Mitentina 287 600 000 DTS ny famatsiam-bola ka ny 143 800 000 DTS dia vola indramina fa ny sisa kosa dia fanomezana. Ny famatsiam-bola dia entina hanamboarana lalana mahatratra 434 km ho an’ny RN10 ary 257 km ho an’ny RN31 ka ny 117 km amin’izany dia mampitohy an’Ankazobetsiahy amin’i Bealanana ary ny 140 km kosa dia mampitohy an’i Bealanana amin’i Andapa.
