Alfa Narcisse Nambinintsoa : Mpianatra mendrika tamin’ny baccalauréat teo, andrasana any New York
Dépêche 16 septembre, 13h, Tonga any New York, Etats-Unis i Alfa Nambinitsoa Narcisse hisolo tena ny ankizy malagasy ary hitondra ny feon’izy ireo amin’ny fihaonana an-tampon’ny Fanavaozana ny Fanabeazana. Vao nahazo nymari-pahaizana baccalauréat ity tovolahy ity dia nahazo andraikitra sahady hitondra ny fanavaozana ny fampianarana eto Madagasikara.
