Foto-drafitr’asa : Hametrahana ozinina mpanodina cacao ao Sambirano
Dépêche 07 juin, 14h, Manana ny lazany manokana i Sambirano amin’ny kalitaon’ny cacao vokarin’izy ireo. Araka izany dia rariny raha hametrahana ozinina mpanodina cacao ao an-toerana. Ozina mpanodina cacao voalohany indrindra ao Sambirano ity hapetraka ity, Sambirano Ingredients SA no natao anaran’izany. Hiara-hiasa amin’ireo mpamboly ao an-toerana ity orinasa ity ary indrindra amin’ny fivarotana ny vokatra ao an-toerana ihany koa. Aorian’izany vao hiroso amin’ny fanondranana. Manana tombony amin’ity vokatra cacao ity i Madagasikara ka sady hitondra anjara biriky amin’ny sehatry ny fizahanatany ny fisian’ity orinasa ity.
