ActualitésTatitra

Maurice : Nitombo 97 136 ny mpitsidika ny nosy ny volana may teo

Mihatsara ny sehatry ny fizahan-tany ao amin’ny nosy Maurice. Nandritry ny volana may teo dia mpitsidika 97 136 isa no tonga tao an-toerana raha 96 814 isa izany tamin’io volana io ihany tamin’ny taona 2019, talohan’ny Covid-19.

Nanazava ny ministeran’ny fizahan-tany tao an-toerana fa maneho ny tahan’ny « recouvrement » 100,3% ny antontan’isa tamin’ny volana may teo. Mbola amin’ny 12 jona izao kosa nefa vao mivoaka ny antontan’isa ofisialy avoakan’ny birao misahana ny antontan’isa momba ny mpizahatany ny isa marina tamin’iny volana ambony iny.

Raha tsiahivina dia efa nahatratra 303 197 ny mpizahatany tao an-toerana nandritra ny telo volana voalohan’ity taona 2023 ity.

Laisser un commentaire