Japon : Vehivavy iray no nanao « reaction » hafakely tamin’ny fanafody
Nisehoana tranga hafakely tao Japon. Mpitsabo maromaro tao an-toerana no nanao tatitra fa nisy vehivavy nararin’ny homamiadana notsaboin’izy ireo no nanao « réaction rare » tamin’ny fanafody nomen’izy ireo. « Minocycline » io fanafody nomena io vehivavy manodidina ny 60 taona io izay voan’ny homamiadan’ny tsinay (rectum) ary nomena ny fanafody mba hiadiana amin’ny mety ho vokatry « chimiothérapie » nataony.
Naniry volo ary nisy pentina mainty ny lelan’io vehivavy io raha ny fanazavan’ireo mpitsabo. Nanopy volondavenina ihany koa ny volonkoditr’ilay vehivavy ary nalefan’ireo tompon’andraikitra tany amin’ny British Medical Journal ny sarin’io tranga hafakely io.
