ActualitésTsidika

Jirama Toamasina : Tapaka noho ny faharatsian’ny toetrandro ny herinaratra

Maro ireo tanana ao amin’ny tananan’Toamasina no niaina tao anatin’ny fahatapahan’ny herinaratra faobe hatramin’ny sabotsy 28 Aogositra 2021. Antony nahatonga izany fahatapahan’ny herinaratra faobe izany ny trangana fahamaizana na « court-circuit » noho ny faharatsian’ny toetrandro.

« Ny andro ratsy no niteraka izao fahatapaahan’ny herinaratra maharitra izao. Ny trangafahatapahana hazo vokatry ny andro ratsy dia mateika mitarika olana ara-teknika maro samihafa eny amin’ny andrin-jiro » Hoy hatrany ny fanazavana nentin’ny orinasa Jirama. Milaza ihany koa izy ireo fa efa am-pamahana ny olana amin’izao fotoana izao. Manoloana izany fahatapahana izany, velon-taraina hatrany ireo mponina ao Toamasina ka mangataka amin’ny Jirama hijery ny olana fototra mahatonga ny fahatapatapahan’ny herinaratra fa tsy amin’ny andro ratsy toy izao ihany.

« Tena efa ho isanandro ny fahatapahan’ny jiro. Impolo ao anatin’ny iray andro dia tsy maintsy tapaka ny jiro. Ny faktiora anefa etsy andaniny miakatra dia miakatra. Ka tokony ho soloina ny mpitantana rehefa tsy mahita vahaolana » hoy i Jimmy, raim-pianakaviana monina ao Ambalakisoa, Toamasina. Manentana hatrany ireo mponina ny Jirama tsy hanakaiky ireo taribia na andrin-jiro tapaka hisorohana ny loza. Aiza ho aiza izany ilay teny filamatry ny Jirama hoe ny mpanjifa no laharam-pahamehana ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire