PolitiqueTsidika

Miasa tokoa ve ireo Ministra ?

Tsy dia nahenoana feo intsony tato ho ato ny momba ireo Ministra vaovao. Mbola tena miandry ny fomba fiadin’izy ireo hanala an’i Madagasikara ao anatin’ny fasahiranana ny vahoaka Malagasy.

Raha tao anatin’ny fimenomenomana hatrany ny vahoaka talohan’ny fanovana ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta Malagasy. Manao izany ankehitriny ? Nahatsapa fiovana ve ireo mponina ?

Raha ny filazan’i Germain, mponina iray eto Antananarivo : « Raha atao bango tokana, hita fa nisy fiovana kely ihany aloha ny tena nanahirana teto, ny vidin’ireo entana ilaina andavan’andro mba misy ihoriranana kely ihany fa ny resaka tsy fandriam-pahalemana kosa tokony asiana fijerena manokana. Tsy mahatsiaro filaminana izahay aloha hatreto ». Nifanohitra tamin’izay kosa ny fahitan’i Tolotra ny zava-misy eto an-toerana : « Tsy nahita fiovana manokana aloha hatreto. Ny tena malaza izao dia ny dossier maloton’ny ministra sasantsasany fa ny ankoatr’izay mitovy amin’ny fiainana andavan’andro ihany ». »Raha ny eo amin’ny sehatrin’ny kolontsaina sy ny fampandrosoana ny Tanana kosa aloha, dia hita fa miasa tokoa ny Ministra misehatra ny momba izay. Tsy mipetrapetraka fa tena mikatsaka izay hampitovy amin’ny Madagasikara amin’ireo tany mandroso », hoy kosa ny fanambaran’i Valisoa, mpianatra misehatra eo amin’ny serasera. »Miasa tokoa ve ireo ministra ? Ny hoe miasa na tsy miasa aloha tsy afaka valiana tsotra fa ny ministry ny fahasalamana, ministry ny varotra ary ny praiministra, ireo no anarana tena henoko matetika, ny ankoatr’izay tena ohatran’ny tsy henoheno feo. Tsy dia mbola nahitana fiovanan be ihany koa ny raharaha eto amin’ny firenena ka mbola tsy fotoana izao ahafahana mamaly izany feno »hoy Ramaro, mpanara-baovao politika.

« Asa fa tsy kabary », izay hatrany no ambeti-tenin’ny Filoha Andry Rajoelina isakin’ny kabariny. Raha io lahateny kosa aloha no entina hamaliana ny fanontaniana, azo atao ny milaza fa miasa ny Ministra satria hita fa mandeha ifotony sy miasa mikaroka avokoa izy ireo hatramin’izao aloha. Hita fa miezaka sy mitady ny paik’ady ialana ao anatin’ny lavaka nisy azy avokoa izy ireo. Na eo aza nefa ireo ezaka kelikely izay efa vita, hita fa tsy mbola miantefa tanteraka amin’ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy izany. Hiandry mandrapa oviana izany ny vahoaka vao tena handray vahaolana maharitra fa tsy kimaikamaika foana ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire